<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>L. Mason</author>
<lyrics>[V1]
 Tompo Zanaharinay !
 Jereo ny fivorianay,
 Izao fampakaram-bady izao
 Tahio sy hamasinonao.

[V2]
 Ireo zatovo roa ireo
 Manketo anatrehanao,
 Fa mifanaiky izy izao
 Hivady sy hifanasoa.

[V3]
 Mangataka aminao izahay
 Hitahy ireo havanay,
 Raha ory mba ononinao
 Raha faly, aza ilaozanao

[V4]
 Arovinao ny tenany,
 Tsinjovy ny taranany ;
 Ho-tsara fara anie ireo,
 Ho ravoravo toy izao.

[V5]
 Ny fifalianay anio
 Hitohy hatrarý anie !
 Ity andro lehibe ity
 Ho santatry ny soa arý.</lyrics>
<title>Ry Tompo Zanaharinay FFPM705</title>
<hymn_number>705</hymn_number>
</song>